ANTOKO POLITIKA MADIO: Mangataka ny fialan-dRajaonarimampianina

ANTOKO POLITIKA MADIO: Mangataka ny fialan-dRajaonarimampianina

Manatevin-daharana ny fangatahan’ny solombavambahoaka ho an’ny fanovana  ny Antoko Politika Madio (APM). Nandritra ny fanambarana nataon’ny birao nasionalin’ny antoko, omaly 26 aprily 2018, mangataka ny hialan’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tsy misy hatak’andro ny APM. “Efa tamin’ny  6 may 2016 izahay no nangataka ny fialan’ny filohan’ny repoblika ankehitriny. Raha nihaino ny fangatahinay ianao Andriamatoa  filoha, tsy nisy rà mandriaka  sy korontana hoatran’ny zava-nitranga tamin’ny sabotsy 21 aprily 2018”, hoy ny filoha mpanorina ny APM, Faniry Alban Rakotoarisoa.

Ankoatra izany, miantso ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana (HCC) ny Antoko Politika Madio tsy hankatoa ny lalàm-pifidianana lanin’ny solombavambahoaka 79 farany teo. Mitaky ny famerenana ny fandinihana io lalàna io an-databatra boribory ny APM. Nanamafy ny antoko fa tsy handray anjara amin’ny  governemanta hiaraha-mitantana raha misy izany. Tsy hanolotra kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ihany koa ny antoko. Manana kandida kosa izy amin’ny fifidianana ben’ny Tanana. Hifaninana amin’ireo kandida ho fidiana ho ben’ny Tanana an’Antananarivo renivohitra  ny kandida hatolotry ny antoko.

Lynda A.

Laisser un commentaire

Cheap Webcam Sex
Show Buttons
Hide Buttons
error: Content is protected !!
%d blogueurs aiment cette page :