ARETINA LEFAKOZATRA ETO MADAGASIKARA : Fongotra tanteraka

ARETINA LEFAKOZATRA ETO MADAGASIKARA : Fongotra tanteraka

Nambaran’ny vaomiera misahana ny fanomezana taratasy fanamarinana  momba ny famongorana ny lefakozatra  eto Afrika (CRCA) ny 21 jona 2018, tany Abuja, Nigéria  tamin’ny fomba ofisialy fa fongotra  tanteraka ny aretina lefakozatra eto Madagasikara. Vokatry ny fiarahamientan’ny mpiantsehatra amin’ny lafiny fahasalamana toy ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana (OMS) sy ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny ekipan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka  no antony nandresena tamin’ny ady  natao tamin’ny lefakozatra. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha izany ny alahady 24 jona 2018.

« Fandresena lehibe ho an’ny vahoaka Malagasy manontolo mihitsy izao satria resintsika ny aretina lefakozatra ary tratra ny tanjona dia ny hoe : faramandimby lavitry ny aretina lefakozatra. Natao ho vaindohan-draharaha hatrany ny fanatsarana ny sehatry ny fahasalamana ary tsy mikely soroka ny fitondram-panjakana hanatsara ny fiainan’ny vahoaka mba hahatongavany amin’ny tena fisandratany »,  hoy ny Filohampirenena Hery  Rajaonarimampianina. Hetsika fanaovam-baksiny 13 no naantao nanomboka ny 2014 ka hatramin’ny volana aprily 2018. Mialoha nirosoan’i Madagasikara tamin’ny fanadinana, dingana maro no natao  mba hanamporofoana fa fongotra ny lefakozatra. Rehefa voaangona daholo ny antontan-taratasy nialaina rehetra dia nojeren’ny manam-pahaizana, solontenan’ny CRCA izany.

Laisser un commentaire

Show Buttons
Hide Buttons
error: Content is protected !!
%d blogueurs aiment cette page :