BEN’NY TANANA AMPITATAFIKA:  Lalana mirefy 18 km hamboarina.

BEN’NY TANANA AMPITATAFIKA: Lalana mirefy 18 km hamboarina.

maire-ampitatafika-3

Ho raofina avokoa ireo vovoka amin’ny lalana mirefy 18 km ao amin’ny kaominina Ampitatafika. Ho fisorohana ny  fotaka rehefa vanim-potoanan’ny orana no antony izany. Etsy ankilany, vinavinaina hatao rari-vato ireo lalana ireo , araka ny fanambaran’ny Ben’ny Tanana an’Ampitatafika, Rado RAMPARAOELINA.  Fokontany 10 no voakasiky ny tetikasa ary asan-tana-maro no hanatanterahana izany.

Amin’izao ankatoky ny fidiran’ny  mpianatra izao,  hotsongaina manokana ireo sahiram-pivelomana amin’ny fanaovana ny asa. “Ho fanampiana azy ireo  ray aman-dreny amin’ny fividianana ny fitaovam-pianatra sy ny fandoavana  saram-pianarana ity tetikasa ity”.

Volany ny kaominina madiodio miampy ny fiaraha-miasa amin’ny Filoha teo aloha no hanatontosana ny fanamboaran-dalana.

Marihina fa 4000 Ariary ny tambin-karama.

13 Comments

Laisser un commentaire

Cheap Webcam Sex
Show Buttons
Hide Buttons
error: Content is protected !!
%d blogueurs aiment cette page :