BOKY ROVITRA

BOKY ROVITRA

Araraotin’ny  tomponandraikitry ny   fananan-tany  ahazoam-bola.

Fomba entina hangalana volabe amin’ireo tompon-tany ny boky rovitra.  Na tsy rovitra aza ny boky mirakitra ny mombamomba ny tany tehirizina eny aniv0n’ny sampandraharahan’ny fananan-tany dia lazaina fa rovitra izany mba hisintonana azy ireo hanao kolikoly. Tsy ireo mpiasa madinika ihany no mivelona amin’izy ity  fa hatrany amin’ny tomponandrikitra ambony misahana ny fananan-tany.

Rovitra avokoa ny 30% ny boky tehirizina ao amin’ny fari-piadidian’ny fananan-tany sy ny fikajian-tany Antananarivo Renivohitra  sy Toamasina. Manodidina  eo amin’ny 75. 230 ny tany vita “titre” ka ny ny 2850 amin’ireo  no rovitra ho an’Antananarivo Renivohitra, araka ny fanadihadiana natao. Raha ny salan’isa izay nomen’ny Mpitahiry ny fananan-tany ao sampandraharahan’ny fananan-tany Toamasina I, ANDRIAMAHENINA Jean Chrysostome  kosa dia 6240 amin’ny 20.810 vita “titre” no  rovitra.

Anarivony noho izany ny tany  nanjavona  ny mombamomba azy noho ny faharovitan’ny boky. Tsy afaka manao na inona na inona ny tompon-tany  na famindrana avy amin’ny fandovana izany  na fampivarotana. Miandry ny fametrahana ny volavolan-dalana mamaritra ny fanarenana ny boky sy ny fandaniana izany eny anivon’ny Antenimiera roa vao afa-mihetsika izy ireo raha ny tokony ho izy. Nanamafy izany ny Tale Jeneralin’ny Sampandraharahan’ny Fananan-tany sy ny Fandrefesan-tany, Hanitra RASENDRASOA fa tsy misy azo atao mihitsy raha rovitra ny boky. Miato hatreo ny fikarakarana ny taratasin-tany eny anivon’ny sampandraharaha misahana izany.

Tsy izany anefa no mitranga. Mifanohitra amin’ny filazan’ity Tale Jeneraly ity ny zava-miseho eny anivon’ny fari-piadidian’ny fananan-tany sy ny fikajian-tany Antananarivo Renivohitra sy ny Toamasina.

Fampandriana adrisa fotsiny

Fepetra takian’ny sampandraharahan’ny  fananan-tany ny fananana « Certificat de Situation Juridique » na CSJ  rehefa hanao famindran-tany na avy amin’ny fandovana izany na avy amin’ny fampivarotana. Tsy afaka manome izany anefa   ny fari-pididian’ny fananan-tany sy ny fikajian-tany raha rovitra ny boky. Ny zava-misy  anefa amin’izao fotoana izao dia toa misy ny  fifanipahan-kevitra eny anivon’ny sampandraharaha misahana izany satria manome CSJ ihany ry zareo rehefa manana kopia an’ny kadasitra na bokin-tany ireo tompon-tany.

Mahazo izay tadiaviny tokoa ireto farany saingy rehefa tonga amin’ny dingana manaraka, mikatso indray ny raharaha. Ny boky hanoratana ny anaran’ny tompony ny tany, nandimby ny teo aloha sy ny mombamomba tany na nisy fizarana na tsisy aza rovitra. Fomba entina hangalana vola amin’ny mpikarakara dosie fotsiny ny filazana fa mahazo CSJ raha manana kopia an’ny kadasitra na bokin-tany.

Nohararaotina hanangonan-karena

Manomboka any amin’ny mpiasan’ny fananan-tany isan-tsokajiny ka hatrany amin’ny tomponandraikitra ambony misahana ny fananan-tany dia samy migoaka tombontsoa avy amin’ny  boky rovitra.

Repoblika efatra nifanesy izay no nitondra ny firenena Malagasy. Tsy mbola tafaverina amin’ny laoniny ireo boky rovitra, mirakitra ny mombamomba ny tany vita “titre” sy kadasitra hatramin’izao fotoana hanoratana izao. Tamin’ity taona 2017 ity no nokasaina hampidirina ireo volavolan-dalana hamahana ny olan’ny boky rovitra. Indrisy fa kobaka am-bavany ihany izany.

Araraotin’ny mpiasan’ny fananan-tany ny fisian’ny boky rovitra. Ankoatra ny karama isam-bolana, fomba fitadiavam-bola haingana dia haingana ho azy ireo izany. Araka ny loharanom-baovao marim-pototra, fara-fahakeliny mitondra 50.000 Ariary mody, isan’andro ny mpiasan’ny fananan-tany iray. Manaporofo izany ny fitantaran’ny mpanera iray  sendra ny fanadihadiana natao. Nambarany fa rehefa manome vola ny tomponandraikitra ao amin’ny fananan-tany dia vita haingana ny CSJ na dia lazaina fa rovitra aza ny boky. Midika izany  fa entina hisarihana ny  mpanjifa hanao kolikoly ny filazana fa rovitra ny boky .  Mazotozoto éry  ireo mpiasa isan-tsokajiny mamoaka ny CSJ rehefa omena vola. Velombelom-bolo ny mpitahiry ny arisiva mitady ny  registra, mailaka ihany koa ny Lehiben’ny mpikajintany manao sonia ny CSJ. Raha tokony ho 15 andro eo vao mivoaka   ny CSJ, roa andro monja  dia efa vita raha mandoa  15.000 Ariary amin’ny tomponandraikitra. Ho an’ity mpanera ity izao CSJ roa no nalainy dia efa 30.000 Ariary ny fitambaran’izany. Ny mpanera mihaodihaody eo amin’ny  fari-piadidian’ny  fananan-tany sy fizakan-tany Atsimondrano sy Antananarivo Renivohitra anefa tsy latsaky ny 50 isa. Rariny raha 50.000 Ariary isan’andro no entin’ireo mpiasa mody  satria manodidina ny 50 ka hatramin’ny 100  isan’andro eo no raisin’ny   fari-pididian’ny  fananan-tany sy fizakan-tany iray raha resaka CSJ.

Mamaky batsilana ny fomba fanaon’ny mpiasan’ny  fananan-tany ihany koa ny ny tranga nahazo an-dRamatoa Aina. Raha nangataka CSJ ny tenany ny volana desambra 2016 dia nahazo izany soamantsara. Telo volana taty aoriana nila CSJ indray  izy ho famindrana ny tany, taratasy dika roa mitovy no nomen’ny mpiasan’ny fananan-tany. Voalaza ao anatiny  fa rovitra ny boky ary  manambara fa tsy afaka mamoaka CSJ ny  sampandraharaha nandehanany. Tsy nionona teo anefa izy fa nangataka fihaonana tamin’ny Lehiben’ny fari-piadidiana misahana ny taniny.  Tiany ho vita ny famindrana ny tany izay nokasainy ka dia nandoa vola izy. Ora vitsy taorian’izay, tao ihany ilay boky fa mbola nivezivezy tany ho any. Vita soamantsara ihany ny CSJ fa tsy rovitra indray ny boky. 

Nambarany  RASOANANDRIANINA Elisabeth, mpitahiry ny fananan-tany ao amin’ny fari-pididian’ny fananan-tany sy ny fikajian-tany  Antananarivo Renivohitra anefa fa fanoroana ireo mpanjifa manana olana amin’ny dosie hikarakarana tany  ihany no antony handraisan’ireo “Chef” olona isaky ny talata sy ny  alakamisy fa tsy misy hidirany amin’ny fanaovana kolikoly mihitsy.

Nanamarina izany tokoa  ilay Rangahy lehibe iray,  efa nahazoazo taona  nohadihadiana saingy nilaza kosa izy fa misy resaka vola matoa manao  “rendez-vous” amin’i “Chef”. Ohatra nambarany tamin’izany ny fangatahana CSJ kanefa rovitra ny boky. Raha manana dika amin’ny mitovy amin’ny  ilay bokin-tany na kadasitra ilay olona dia afaka manome CSJ. Toy ny mahazatra dia manome kely an’ny tomponandraikitra.

Miteraka ady tany

Anisany mahatonga ady tany ny fisian’ny boky rovitra. Betsaka ireo tany manana “titre” roa. Ankoatra ny  tompon-tany, ny mpikajin’ny fananan-tany ihany no mahafantatra  fa rovitra boky misy mombamomba ny tany iray  izay tsy ahafahana manao na inona na inona. Tamin’ny fomba ahoana àry no nahazoan’olon-kafa “titre” hafa? Nohazavain’ny Mpisolovava, RANDRIAMAHENINA Fidèle Prospéré fa miainga avy ao amin’ny mpiasan’ny fananan-tany matoa misy olona roa manana “titre” samihafa amina tany iray. Tsy afaka nikarakara ny tany ny tompon-tany manana “titre” izay iharan’ny boky rovitra. Io tranga io no nohararaotina ka nanomezana “titre” hafa. Matoa izany tanteraka dia Ra-vola no nibaiko tao.

Tranga mateti-piseho ihany koa fa tsindry avy amin’ny Lehibe ambony, manam-pahefana no  mahatonga ny mpiasan’ny fananan-tany manaonao foana.  Misy ireo lava-maso mitady ireo lisitry ny boky rovitra.

Rehefa misy tany tian’ny mpanam-bola na manam-pahefana ho varotana amin’ny hafa na Malagasy mpiray tanindrazana io na vahiny dia moramora kokoa ny manao izany raha rovitra boky misy mombamomba ny tany. Mamorona “titre” vaovao fotsiny dia ampy.

Mipoitra amin’izay ny adin-tany. Voaraoka amin’ny taniny  ny tompon-tany satria misy mitonona ho manana taratasy manamarina fa azy ny tany. Ho an’ireo tany mbola tsy misy fanorenana indray, manorina trano eo ilay manana “titre” faharoa ka izay vao taitra ny voalohany ka raikitra ny fifampitoriana.  Miakatra fitsarana izany ka matetika  ny manana “titre” vita aloha  no raisin’ny mpitsara ho mpandresy.

Fisorohana ny boky rovitra ny nomerika

Ankoatra ny politika hanarenana ny boky rovitra, ny famadihana  ireo antontan-taratasin-tany sisa tsy potika ho nomerika no vahaolana  iray hisorohana ny faharovitan’ny  boky. “Tsy mandany vola be ny fanaovana izany”, hoy i Hajo ANDRIANAINARIVELO, Ministry ny fanajariana ny tany tamin’ny andron’ny tetezamita nentin’ny Filoha Andry RAJOELINA. Mitaky finiavana izany mba hitsinjovana ny tombontsoam-bahoaka. Raha efa nisy ny dingana efa vita dia tokony ho tohizana.

Nanaiky ny Ministra teo aloha Hajo ANDRIANAINARIVELO fa misy mihitsy aza manafina boky satria  misy tombontsoany ao.  Tsy   ny fangalana vola amin’ny tompon-tany ihany no entina hanararaotana ny fisian’ny boky rovitra  fa misy ihany koa ireo mpanam-bola mitady tany ka any mpandoa-bary mihitsy izy ireo no manatona  dia ny mpiasan’ny fananan-tany. Roboka tokoa ity farany satria  sodokan’ny mena miraviravy.

Ny tena zava-doza dia misy amin’ireo manam-pahefana mihitsy manome baiko an’ireo mpiasa madinika ka  voatery manao  ny tsy fanao izy ireo.  Vokany, betsaka ny tany manana “titre” roa na telo. Teraka avy eo ny ady tany.

Noho izany, nambarany fa matoa tsy  ataon’ny fitondrana ho laharam-pamehana ny zava-maharary vahoaka  dia noho ny fiarovana  ny tombontsoa an’olom-bitsy.

Mitaky finiavana sy fandraisana andraikitra

Raha izay volabe sy fotoana lany namolavolana ny politikan’ny fananan-tany sy ny vola naloan’ireo mpanjifan’ny sampandraharahan’ny fananan-tany   izay no natambatra, efa voavaha ny olan’ny boky rovitra manerana ny fari-piadidian’ny fananan-tany sy fikajian-tany eto Madagasikara. Resaka tsy fahampian’ny fitaovana sy ny vola foana  mantsy no ala-olan’ny fitondram-panjakana amin’ity resaka ity.Ho foana ihany koa ny fanambakana ny mpampiasa ny sampandraharahan’ny fananan-tany raha tanterahina amin’ny antsakany sy andavany ny tenin’ny Lehiben’ny Governemanta, Solonandrasana Olivier MAHAFALY fa ho faizina avokoa ireo tompondraikim-panjakana manao ny tsy mety. Tafiditra ao anatin’izany ny mpiasan’ny fananan-tany sy  ny Ministera misahana azy izay manararaotra ny fisian’ny boky rovitra. Mila mandray fepetra haingana ny mpitondra amin’ny famerenana ny amin’ny laoniny ireo boky rovitra mba tsy hampiakatra  indray ny tahan’ny ady tany tsaraina eny amin’ny fitsarana. Eo ihany koa ny fiarovana ireo boky mbola tsy rovitra amin’ny alalan’ny fitaovana hafa toy ny famadihana azy ho nomerika.

Lynda ANDRIATSITONTA

Laisser un commentaire

Show Buttons
Hide Buttons
error: Content is protected !!
%d blogueurs aiment cette page :