CENI : Hatramin’ny 31  janoary 2018 ny fanavaozana ny lisi-pifidianana

CENI : Hatramin’ny 31 janoary 2018 ny fanavaozana ny lisi-pifidianana

Niakatra ho 718.656 ny mpifidy voasoratra ao anatin’ny lisi-pifidianana ho an’ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra (CUA). Raha oharina amin’ny lisi-pifidianana nofaranana tamin’ny aprily 2017, niakatra 4, 81 % ny taha-pahavitrihan’ny mpifidy nisoratra anarana ho isan’ny mpifidy amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ho an’ny boriborintany enina, araka ny tarehimarika navoakan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidiananana (CENI) ny 11 janoary 2018.

 Nampahafantarina nandritra ny dinik’asa nataon’ny CENI niaraka tamin’ny  lehiben’ny fokontany sy ny lefitry  lehiben’ny fokontany, mandrafitra ny CUA izay notontosaina tamin’io daty io fa  manana 20 andro ny mpifidy, tsy mbola voasoratra ao anatin’ny lisi-pifidianana hanoratra ny anarany eny amin’ny biraom-pokontany.  Hatramin’ny 31 janoary 2018 ny fe-potoana nomen’ny CENI hanaovana izany. « Aorian’io daty io, handrafitra ny lisi-pifidianana vonjimaika izahay. Haverina eny anivon’ny fokontany indray izany. Mbola afaka manoratra ny anarany ireo tsy mbola tafiditra ary manamarina ny mombamomba  azy kosa ireo efa voasoratra sao misy diso », hoy ny Lehiben’ny CENI,  Hery RAKOTOMANANA.

Datim- pifidianana

Mba hisian’ny fangaraharana, mamporisika an’ireo antoko politika na  firaisamonim-pirenena  hiditra ao anatin’ny  vaomiera  ifotony mpanara-maso ny fanisana ny mpifidy (CNRE). Nambaran’ny Filohany CENI fa  afaka mandefa solontena roa isaky ny antoko na fikambanana.

Marihina fa mbola mipetraka hatrany ny fanambin’ny CENI ny hampiakarana   isan’ny mpifidy  ho 10 tapitrisa  amin’ny fifidianana Filoham-pirenena izay ho tontosaina  eo anelanelan’ny 25 novambra ka hatramin’ny 25 desambra 2018.

Laisser un commentaire

Show Buttons
Hide Buttons
error: Content is protected !!
%d blogueurs aiment cette page :