DELEGE SENDIKALY:  Henjehin’ny mpampiasa fa misolo tena hiaro ny zon’ny mpiasa.

DELEGE SENDIKALY: Henjehin’ny mpampiasa fa misolo tena hiaro ny zon’ny mpiasa.

Noho ny fitadiavana ny  filaminana eny anivon’ny orinasa, iharan’ny tsindry hazo lena ireo delege sendikaly. Araka ny fanazavan’i Jean Raphael MANANANDRO, Sekretera Jeneraly lefitry ny FISEMARE, delege fito izao no voaraoka tsy nanao hadisoana akory sady tsy nanome fanazavana momba ny fandroahana azy ny mpampiasa azy ireo.

Manoloana izany, manamafy hatrany ny fiarovana ny zon’ny mpiasa fa indrindra ireo delege misolo tena ny sendika ny Fikambanan’ny sendikan’ny mpiasa sy ny fikambanan’ny delege sendikaly (ADPCE).

Nandritra fanomezan-dra maimaim-poana nataon’ireto fikambanana ireto, teny amin’ny trano fitehirizan-dra no nanambaran’izy ireo ny fanenjehana atao amin’ny delege sendikaly.

Laisser un commentaire

Show Buttons
Hide Buttons
error: Content is protected !!
%d blogueurs aiment cette page :