FA NA MINO IANAO NA TSY MINO : Rajoelina no Prezidà

FA NA MINO IANAO NA TSY MINO : Rajoelina no Prezidà

Mazava ny resaka fa izay voalazan’ny CENI na ilay vaomiera mahaleotena mikarakara ny fifidianana, no nohamafisin’ny teo anivon’ny HCC omaly takariva…
Efa somary nanoaka sy saika nahazo tory ampitoerana ny sasany teo ampihainoana ireo mpitsara ambony miisa sivy. Efa misy mitaintaina mafy hoe inona no holazain’ny mpitsara ?

Adim-pamantaran’ora iray sy sasany no niandrasana izany fa vita ihany e ! Vita soa aman-tsara fa ny lalana manaraka no andrana ny tohiny.

Efa fantatra sy nandrasana fa nolavin’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana daholo ny ankamaroan’ireo fitarainana sy fitoriana rehetra tonga teny Ambohidahy…

Dia nampiasaina ny hiran’i Rak Roots e ! Fa na mino ianao na tsy mino ianao dia… Rajoelina no Prezidà ! Ho resesahantsika amin’ny manaraka ny vontoatin’ny fotoam-pitsarana !

Ibalita

Laisser un commentaire

Show Buttons
Hide Buttons
error: Content is protected !!