FAMPIVOARANA NY TANTSAHA: Atsangano ny banky fampandrosoana

FAMPIVOARANA NY TANTSAHA: Atsangano ny banky fampandrosoana

Hetahetan’ny tantsaha ny hananganana banky fampandrosoana isaky ny distrika. Voafetra ireo tetikasa tohanan’ireo mpamatsy vola vahiny hampandrosoana ny tontolo ambanivohitra.  Mangataka ireo tantsaha mba asiana tetikasa momba famokarana eran’ny faritra 22 ary atao mifanaraka amin’ny tontolo iainana isam-paritra izany. Anisany fehin-kevitra nivoaka tamin’ny loabary an-dasy tamin’ny Fier Mada andiany faha-19 io fangatahana io. Io banky fampandrosoana io no ahafahana manao izany. Nambaran’ny filoha mpanorina ny Fier Mada, Jacques Rabemanantsoa fa ny  vola azo avy amin’ny fitrandrahana  ara-dalana sy ara-drariny ny harena an-kibon’ny tany sy ny harena anaty ranomasina ary ny fizahan-tany no hampandehanana  ny banky.

Taratry ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ny Fier Mada. Nitombo ny mpandray anjara tamin’ny andiany faha-20. Efan-jato ny isan’izy ireo. Araka ny fanambaran’ny mpikarakara aza dia mbola nisy mpandray anjara 50 nolavina fotsiny satria tsy homby intsony ny toerana. Hifarana ny alahady 5 aogositra 2018 ity hetsika natokana ho an’ny fambolena sy ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy ity. Hita eny amin’ny kianjan’i Makis Andohatapenaka ihany koa ireo fitaovam-pamokarana ilain’ny tantsaha.

Lynda A.

Laisser un commentaire

Cheap Webcam Sex
Show Buttons
Hide Buttons
error: Content is protected !!
%d blogueurs aiment cette page :