FIFIDIANANA MANARAKA: Manana fotoana ireo  tsy ao anaty lisitra

FIFIDIANANA MANARAKA: Manana fotoana ireo tsy ao anaty lisitra

Ny 15 mey 2019 ny fikatonan’ny  fanavaozana ny lisi-pifidianana. Efa nanomboka ny  1 desambra 2018 teo ny fisokafan’ny fanavaozana ny lisi-pifidianana ka mba tsy hisian’ny fifanomezan-tsiny indray hoe : tsy voasoratra ao anaty lisitra dia mila manatona biraom-pokontany ireo feno 18 taona  no miakatra manome ny mombamomba azy. Raha ny vinavina, amin’ity taona 2019 ity no hanatanterahana ny fifidianana solombavambahoaka sy ben’ny tanàna. Marihina fa tsy mbola afaka haneho ny safidiny ireo vao hisoratra anarana ho ao anaty lisi-pifidianana raha toa ka amin’ny 20 martsa 2019 tokoa ny fifidianana solombavambahoaka.

Bileta tokana

Maro ny fitoriana izay nolavina tamin’iny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa iny satria hita fa tsy mitombona  ny taratasy nanamarinana izany. Hevitra naroson’ny mpahay lalàna Imbiki Herilaza ny hanaovana lahadinika manokana hanarenana ny lesoka rehetra. Ohatra ny fanatsarana ireo zavatra tsy tomombana  na eo anivon’ny lalàna na ny fampiharana ny lalàna eny ifotony.  Handray anjara amin’izany izay rehetra voakasiky ny fifidianana any aoriana kely any. Ankoatra izany, nanazava i Imbiki Herilaza fa tokony hisy nomerao ny bileta tokana araky ny lalàm-pifidianana 2018-008, andininy faha-120 saingy tsy manamarika  kosa fa tsy maintsy foana ny fifidianana raha tsy misy nomerao. Antony hamantarana fotsiny làlan’ilay bileta eny amin’ny biraom-pifidianana fotsiny ilay nomerao. Inona no hanavaozana ny lalàm-pifidianana raha toa ka ny  taloha no nampiasaina tamin’ny fifidianana filoham-pirenena  fihodinana faharoa lasa teo?

Lynda A.

Laisser un commentaire

Show Buttons
Hide Buttons
error: Content is protected !!