MADA JEUNE: Andro faharoa amin’ny « salon des études supérieures » androany.

MADA JEUNE: Andro faharoa amin’ny « salon des études supérieures » androany.

Mbola manana fotoana itadiavana ny oniversite hanohizana ny fianarana ireo mpianatra vao afaka fanadinana bakalorea. Ivom-pampianarana ambaratonga ambony miisa 60 no hanoro lalana ho azy ireo amin’ny fisafidianana ny lalam-piofanana eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina.

Andro faharoa sady famaranana ny  « salon des études supérieures » androany 08 septambra 2017 ka efa mpianatra manana ny diplaoma bakalorea aman’arivony  no tonga nitsidika hetsika omaly.

« Fotoana ahafahan’ireo mpianatra  mahafantatra bebe kokoa ny lalam-piofanana azo rantovina ity hetsika ity satria anisany manampy azy ireo amin’ny fahalalana ny sehatr’asa mifanaraka amin’izany », hoy ny mpikarakara ao amin’ny Mada Jeune, lahatra ANDRIAMAHATSANGY.

Laisser un commentaire

Show Buttons
Hide Buttons
error: Content is protected !!
%d blogueurs aiment cette page :