Politique

CSANR:  Fitaovana hangalana seza fotsiny no hanohanana an-dRajoelina.

CSANR: Fitaovana hangalana seza fotsiny no hanohanana an-dRajoelina.

Mbola tsy eo amin’ny toeran’ny fitondrana akory ny Filohan’ny tetezamita Andry  RAJOELINA dia efa mamoa-tsampona ireo mpikambana sasantsany ao amin’ny fikambanana manohana azy na ny CSANR. Porofo mivaingana azo tsapain-tanana izany nandritra ny fivoriana notanterahin’ny fikambanana omaly 09 jolay 2017. Ny hanadiovana ny fikambanana no antom-pivoriana, fifidianana birao vaovao hanoloana ny fiaraha-mitantana, izay tsy ao(…)

suite...

FMI MALAGASY: Afaka atao ny mampidina ny vidin-tsolika ho antsasany.

FMI MALAGASY: Afaka atao ny mampidina ny vidin-tsolika ho antsasany.

Ao anatin’ny iray volana monja, hanana fahefa-mividy ny Malagasy. Hihena ho antsasany ny vidin-dasantsy raha toa ka ampiharina ny fandaharan’asan’ny fikambanan’ny Fahefa-Mividy no Ilain’ny Malagasy (FMI) ary hidina manaraka ho azy ny vidin’entana. Nambaran’ny Filohan’ny FMI, Jean-Jacques RATSIETISON fa amin’ny fomba tsotra no ahafahan’ny vahoaka manana fahefa-mividy amin’ny lafiny rehetra. Voalohany amin’izany ny fanafoanana ny(…)

suite...

PASTEUR MAILHOL: Manam-paniriana hanarina an’i Madagasikara ny Filoham-pirenena.

PASTEUR MAILHOL: Manam-paniriana hanarina an’i Madagasikara ny Filoham-pirenena.

Ny  fampihavanana no lalana ahafahana mampandroso  an’i Madagasikara. “Rehefa mihavana ny Malagasy, ho mora foana ny mampivoatra ny mponina ao aminy”, hoy i Pasitera Mailhol. Nanamafy ny kabarin’ny Filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA ity farany fa ny firaisan-kina no fitaovana entina hanarenana ny firenena.

suite...

FETIM-PIRENENA 2017: Niaiky ny Filoham-pirenena fa ao anatin’ny  fahantrana lalina ny 80% ny Malagasy.

FETIM-PIRENENA 2017: Niaiky ny Filoham-pirenena fa ao anatin’ny fahantrana lalina ny 80% ny Malagasy.

“Ampy izay ny fahantran’ny vahoaka”, hoy ny Filohan’ny Repoblika Malagasy, Hery RAJAONARIMAMPIANINA nandritra ny lahateniny  teny Iavoloha. Niaiky ny tenany fa  tafalatsaka ao anatin’ny fahantrana lalina ny 80% ny Malagasy. “Ny fiaraha-mientana ho fanatsarana ny fari-piainan’ny tsirairay no ahafahana manarina izany”, hoy hatrany izy.

suite...

FORCES DE CHANGEMENT: Mahatsiaro ireo vahoaka madinika ihany ny fitondrana rehefa…

FORCES DE CHANGEMENT: Mahatsiaro ireo vahoaka madinika ihany ny fitondrana rehefa…

Resahana foana fa avo dia avo ny tahan’ny tanora tsy an’asa. Anisany mahatonga izany ny tsy fandraisana andraikitry ny mpitondra fanjakana. Ny fitantanana ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny aza tsy vitany. Manoloana izany, hanambatra ny heriny ny tanora mivondrona ao amin’ny Forces de Changement hanangana rafitra  tokony hitondrana ny firenena fa indrindra ny fampandraisana andraikitra ny(…)

suite...

FORCES DE CHANGEMENT: Hiroso amin’ny  izay mety ho endrika fanoherana.

FORCES DE CHANGEMENT: Hiroso amin’ny izay mety ho endrika fanoherana.

Mitohy hatrany ny tetik’ady  izay heverin’ny Forces de Changement  fa hamongorana  ny fitondrana tsy mahomby, mampahory ny vahoaka. Ny fiaraha-mitantana izay misy sata mifehy no fepetra iray ahatongavana amin’izany. Indrisy anefa fa araka ny fanazavan’ny mpitarika, Maharavo RATOLONJANAHARY  na i Doudou  dia efa namaly ny antoko politika  HVM, miara-dia amin’ny Filoham-pirenena  Hery RAJAONARIMAMPIANINA fa tsy(…)

suite...

LES FORCES DE CHANGEMENT: Hamolavola drafitra  ho fiaraha-mitantana  ny firenena.

LES FORCES DE CHANGEMENT: Hamolavola drafitra ho fiaraha-mitantana ny firenena.

Roa volana no niketrahan’ny Vovonana DFP ( Dinika ho Fanavotam-Pirenena) ny tetika manaraka hirosoana amin’ny « fanavotam-pirenena ». Nifampiresaka tamin’ireo  fikambanana laika, antoko politika, Filoha nifandimby  teo aloha  sy ny maro hafa ity vovonana ity. Nampitondraina ny anarana hoe : « les forces de changement »  ny fitambaran’ ireo hery velona ireo.

suite...

error: Content is protected !!