TSENAN’NY LAVANILA: Nisy fihemorana ny tetiandro

TSENAN’NY LAVANILA: Nisy fihemorana ny tetiandro

Efa mamaramparana ny tsenan’ny  lavanila ny ao amin’ny faritra Sofia. Nambaran’ny talen’ny Fampandrosoana  ny faritra Sofia, Emilson Fidèle fa nisy fihemorana kely ny daty ho an’ny fisokafan’ny tsenan’ny lavanila  raha oharina tamin’ny herintaona. Mba ho fitsinjovana ny  hanatsaran’ny kalitaon’ny lavanila no anton’izany. Tsikaritra anefa fa misy amin’ireo mpandraharaha no miezaka manokatra ny tsena mialohan’ny fotoana. Handray fepetra ny faritra amin’ny fanaraha-maso azy ireo satria manimba ny fiarahamiasa amin’ny tsena any ivelany ny fandikana ny daty voatondro hisokafan’ny tsenan’ny lavanila.

Henjehina

Efa nisy ny tetiandro napetraky ny faritra niarahana tamin’ny kaominina sy ny vovonana miantsehatra amin’ny lavanila. “Miangavy  ary indrindra manentana ny mpisehatra rehetra toy ny kaominina, mpanangom-bokatra  mba tsy handika izany”.  Ny 15 septambra 2018 izao no hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny tsenan’ny lavanila ao Befandriana Avaratra. Raha misy olona manokatra tsena mialoha an’izay dia miandry azy ireo ny sazy mifanaraka amin’izany. Namafisin’ny  talen’ny fampandrosoana ny faritra fa henjehin’ny lalàna izay rehetra tratra mandika ireo fepetra napetraky didim-pitondrana eo anivon’ny ministera na ny faritra momba ny lavanila toy  ny manokatra tsena mialohan’ny fotoana. Miara-miasa akaiky amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana ny faritra amin’ny fanaraha-maso izany.

Lynda A.

Laisser un commentaire

Show Buttons
Hide Buttons
error: Content is protected !!
%d blogueurs aiment cette page :