VONDRONA SENDIKALY: Hitondra ny olan’ny mpiasa any Rio de Janeiro.

VONDRONA SENDIKALY: Hitondra ny olan’ny mpiasa any Rio de Janeiro.

senikany-mpiasa-3

Tsy mitsaha-mitombo ny tahan’ireo tsy an’asa eto Madagasikara. Betsaka ireo mpiasa voaraoka kanefa tsy avy amin’izy ireo ny antony. Etsy ankilany, rehefa mitaky ny zony amin’alalan’ireny fihetsiketsehana ireny dia voarahona. Tsy ampy mandritra ny volana iray akory ny  karama, ny vidim-piainana anefa miakatra andro aman’alina. Aiza ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana amin’izany? Fotoana manan-danja ho an’ireo sendika ivondronan’ny mpiasa miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana eto Madagasikara ny kongresy eran-tany momban’ny  sendika (congress industriALL Global Union).  Nanomboka omaly ity fihaonambe andiany faha-02 ity ary hofaranana amin’ny zoma faha-07 ny volana oktobra ho avy izao any Rio de Janeiro. Mpikambana anankiroa ao anaty  sendikan’ny mpiasa Malagasy  mantsy voaasa amin’izany. Anisany hitondra ny olan’ny mpiasa eto amintsika i Barison RAKOTOMANGA avy ao amin’ny vondrona sendikaly.

Nambarany ity farany fa hampahafantarina an’izao tontolo izao fa misy fanitsakitsahana ny zon’ny mpiasa eto Madagasikara.  Ao anatin’izany ny fanenjehana ny sendika.

Marihina fa firenena  100 no mandray anjara amin’ny krongresy.

VIDEO

11 Comments

Laisser un commentaire

Show Buttons
Hide Buttons
error: Content is protected !!
%d blogueurs aiment cette page :